1 Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'i Davida. Ho fampahatsiarovana. Andriamanitra , faingna hanafaka ahy; Jehovah , faingna hamonjy ahy.

2 Aoka ho menatra sy hangaihay izay mitady ny aiko; aoka hiamboho sy ho afa-baraka izay faly amin'ny manjo ahy;

3 Aoka hiamboho noho ny fahamenarany izay manao hoe: Hi! sakoa izay!

4 Aoka hifaly sy ho ravoravo aminao izay rehetra mitady Anao; ary aoka izay tia ny famonjenao hanao mandrakariva hoe: hankalazaina anie Andriamanitra.

5 Fa izaho dia ory sy malahelo; faingna hankat? amiko, Andriamanitra ; Mpamonjy sy Mpanafaka ahy Hianao; aza ela, Jehovah .
